Nikarakara fampiofanana marolafy ho an’ny mpanjono madinika, tany amin’ny kaominina Ambanivohitra Maherivaratra, distrikan’Ambanja, faritra Diana, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), nanomboka ny 17 septambra lasa teo. Araka ny fanazavana nataon’ny eo anivon’ny minisitera, naharitra efatra andro teo izany. Mpanjono madinika miisa 49 ao Andilamboay no nandray anjara sy nisitraka fampiofanana tany an-toerana.
Ity hetsika ity izay natao ho fanatsarana ny fari-piainan’ny mpanjono sy ny fanavaozana ny sehatry ny jono. Nampianarina azy ireo ny momba ny fiompiana trondro, ny fomba fanjonoana amin’ny alalan’ny fampiasana « Dispositif de concentration des poissons (DCP) », sy ny fitahirizana ny vokatra hazandrano ary ny teknika fanatavezana drakaka.
Marihina fa ny lehiben’ny Sampandraharahan’ny Jono sy ny toekarena manga (CirPEB Ambanja) no nitantana izany. Nisy ny fitetezana toerana samihafa araka ny fandaharana napetraky ny komity marolafy.
Ny orinasa Refrigepêche Ouest, izay miasa ao amin’ny fari-panjonoana A, no nanome tantsoroka sy nanohana ny fanatanterahana izao hetsika fampiofanana izao.
Fitia Randria




