Fakana takalonaina: Tsy misy ifandraisany amin’ny Base Toliara

Nivory ireo sefo fokontany 13 ao anatin’ny kaominina Ankilimaliniky Toliara II, ary namoaka fanambarana iombonana. Nitondra ny fitene­nana ny sefo fokontany Ta­nora Faharoa. Nohelohin’izy ireo marindrano ilay asan-jiolahy niseho ny sabotsy 13 septambra teo. Fakana an-keriny natao takalonaina ny zanakay miisa 3 ireny zava-niseho ireny, hoy izy ireo. Tsy misy ifandraisany amin’ny lafiny politika sy ny tetikasa Base Toliara velively fa tena asan-jiolahy. « Tsy maintsy niaro tena ny mpitandro filaminana rehefa nanao vela-pandrika ireo mpanao ratsy, ka nahafaty ny iray tamin’ ireo mpaka takalonaina », hoy ny sefo fokontany Tanandava, i Fefetena.
Leo ny famoahana sy fa­na­pariahana tsaho sy vaovao tsy marina ny vahoaka any an-toerana.
Resamba no anaran’ilay tafatsoaka teo am-pelatanan’ ireo jiolahy. Nambarany fa ma­nodidina ny 10 eo ireo olon-dra­tsy, izay tena manana fi­taovam-piadiana maro tokoa. Nilaza ny ben’ny Tanàna An­kilimaliniky, i Tsimiavotsy Ma­ximin, fa « navadiky ny mpikambana ao amin’ny mpanohitra resaka politika ity raharaha ity. Ny lafiny fampandrosoana no laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka izao fa tsy karazan-javatra toy izany. Miantso ny tomponandraikitra ambony ny tenako hijery akaiky ity raharaha ity, satria tsy sahy miditra any anaty ala, anke­hitriny, ny mponina noho ny tahotra ireo jiolahy ».

Njaka A.

Partager sur: