Fampivoarana ny Toekarena eny ifotony: Nananganana BSFI ireo kaominina miisa telo

Notontosaina ny 17 septambra lasa teo ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI), izay mampiray ny kaominina Am­bohidrabiby, Ambohi­man­ga Rova ary Talata Volonondry. Tetikasa tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), izay tarihin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina.
Ankoatra ny fanokafana ny birao, nisy koa ny fanolorana fanampiana ho an’ny mpamokatra savony, AGR Kanto sy ny Rosa Confection (Uafla), ary ny fanomezana fitaovana fambolena ho an’ireo von­dron’ny tantsaha eny Avara­drano.
Nilaza ny tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT fa ao anatin’ny laharam-pahamehan’izy ireo hatrany ny fanavaozana ny fitantanana ny fananan-tany sy fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony. Tonga nanatrika ny lanonana, teny an-toerana, ireo olo-manankaja maro, toa ny filohan’ny Antenimierando­holo­na, Ravalomanana Richard, ny minisitry ny Indostria sy ny varotra, Ralambofiringa Da­vid, ary ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina. Notronin’ny solontenan’ny MFFT, izay notarihin’ny Tale jeneralin’ny Fananan-tany, ny solombavambahoaka voafidy teny Avaradrano ary ireo ben’ny Tanàna an’ireo kaominina nisitraka izany.

Fitia Randria

Partager sur: