Nanapaka tampoka fiara nandalo teny Ampasika ny lehilahy iray, omaly. Nikasa hamono tena izy saingy tsy maty.
Raim-pianakaviana tra-doza rehefa nitsoraka tampoka tao ambanin’ ny fiara marika Kia Pride, teny Ampasika, omaly tolakandro. “Tsy lavitra ny lalana miditra ny Rond-point, nitsambikina tampoka io lehilahy io”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray tao anatin’ny fiara. Na izany aza, tsy voahitsaka io lehilahy nanao fanahy iniana nitsoraka io saingy voafaoka ka nipitika. “Soa ihany tsy nandeha mafy izahay raha tsy izany voa mafy izy”, hoy ny fanazavan’ny vadin’ny mpamilin’ny fiara. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany io lehilahy io taorian’ ny tranga ka nentin’ny fiara nandona azy teny anivon’ny hopitaly HJRA. Nahitana taratasy fanaovam-belona ho an’ ny renin-janany teny amin’io lehilahy ahina ho nikasa hamono tena io. “Nisy taratasy nahitana soratra fa hitsoraka any amin’ny ranon’Ikopa io lehilahy io”, hoy hatrany ny fanazavana. Nahatsiaro tena ihany izy rehefa notsaboin’ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly.
Tsy nisy namaly
Niezaka niantso ny laharana finday miisa roa nisoratra tamin’ny taratasy teny an-tanan’io lehilahy io ny polisy miasa eo an-toerana nitrangan’ny voina, omaly. “Nolazain’ ilay lehilahy namaly tamin’ny finday fa tsy ao an-trano fa lasa nivoaka ilay vehivavy voasorotra anarana tamin’ny taratasy”, hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Hatramin’ny fotoana nanoratana, tsy nisy fianakavian’io lehilahy io tonga teny amin’ny hopitaly. Marihina, miseholany ny tranga famonoan-tena amin’ny endriny maro tato ho ato. Matetika manosika ireo efa lasibatra nanaotao foana ny fahadisoam-panantenana tafahoatra ka tsy hainy ny mifehy ny fihetseham-po.
Tsiferana R.




