Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Antanimasajy, Mahajanga, ny tovolahy iray 18 taona voarohirohy sy tompon’antoka tamin’ny fanindromana antsy raim-pianakaviana iray, 35 taona, ny alin’ny 6 septambra lasa teo. Niakatra fampanoavana ny raharaha, taorian’ny famotorana nataon’ny polisy azy.
Tsiahivina fa nisy nanindrona antsy tany Ambalamanga, fokontany Antanimasajy, ny lehilahy iray, 35 taona, ny alin’ny 6 hifoha 7 septambra lasa teo. Niditra teo amin’ny kibony ny antsy ary tafiditra tany amin’ny 12 cm mihitsy. Nifanena tamin’ny tovolahy iray izy rehefa an-dalana hamonjy fodiana. Vono olona niniana natao izany satria tsy nisy zavatra very tamin’ilay lasibatra, tamin’io fotoana io. Lasa nitsoaka avy hatrany ilay olon-dratsy taorian’izay. Nentina nihazo ny hopitaly haingana izy taorian’ny loza nahazo azy. Naharitra valo andro ny fitsaboana azy satria tsy maintsy niatrika fandidiana ny kibony. Nanoro ny mombamomba ilay nahavanon-doza teny amin’ny polisy ny tenany, rehefa nivoaka ny hopitaly. Tsy niandry ela ny polisy fa voasambotra ilay olon-dratsy ny 12 septambra lasa teo. Natao ny famotorana ary izao natolotra ny fampanoavana izao ny raharaha.
Mino




