VAOVAO TAMBATRA

Mandroso ny asa fanarenana ny RN2. Nidina ifotony nijery ny fizotry ny fanatanterahana ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, omaly, taorian’ny fivoriana niaraka tamin’ireo orinasa miisa 4 manao izany. Hita fa vonona ny hitaterana manokana ireo milina herinaratra ho eny Ambohi­manambola ity lalam-pirenena ity.

Miditra amin’ny fametrahana ny valatahaka, ny 16 septambra teo, ny tantsaha eto Analamanga. Natao izany, taorian’ny fiofanana momba ny teknikam-pambolena Pfumvudza. Anisan’ny natao ny fandrakofana ny tany sy ny fanamboarana zezika kaomposta. Nomena toromarika koa ny tantsaha ho an’ny asa manaraka. Teny Ambohimangakely no nanatanterahana izany.

Hatao ny 27 sy 28 septambra ho avy izao, any Morondava, ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany. Miaraka mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana sy ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga. Tanjona ny hanomezan-danja sy hampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana, ny an-dranomasina ary ny ara-kolontsaina.

Partager sur: