VAOVAO TAMBATRA

Araka ny fikarohana natao omaly, nasiana fanamboarana ny lalana maro ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Maherin’ny folo kilometatra ny lalana namboarina tao amin’ity renivohitra ity. Nanova tanteraka ny endriky ny tanàna ny asa fanamboarana, izay manatsara hatrany koa ny fivezivezena ao an-toerana.

Nanatanteraka asa fampiofanana tany amin’ny kaominina Ambohimena, faritra Diana, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), ny faran’ny herinandro lasa teo. Nampiavaka izany ny fanavaozana nentin’ny MPEB ny sehatry ny jono makamba sy ny fanohanan’ireo mpanjono vaventy ny mpanjono madinika.

Efa tafapetraka ny 19 septambra lasa teo, tany Nosy Be, ny « Chef d’antenne » vaovao ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Asa, fampanananasa sy ny asam-panjakana, ao amin’ny faritr’i Diana. Nitarika izany ny minisitry ny Asa sy ny fampanananasa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Ity fanendrena ity izay maneho ny fanamafisana ny fisian’ny fanjakana any an-toerana ary koa ho fanatsarana ny tolotra ho an’ny mponina sy ireo orinasa.

Partager sur: