Fiainana andavanandro : Manodidina ny 30 000 Ariary ny kilaon’ny savoka

Anisan’ireo singa iray ahafahana mampangirana zavatra ny savoka, ary betsaka amin’ny Mala­gasy no mampiasa izany hanadiovana trano. Efa mahatratra 30 000 Ariary ny kilaon’izy ireny eny an-tsena.

Ny savoka. Akora iray manana toetra manokana, malefaka sy mora miempo rehefa misy hafanana ny savoka ary mivaingana rehefa mangatsiaka. Araka ny fanadihadiana natao teny amin’ny mpivarotra iray tetsy Analakely, mahatratra 30 000 Ariary eo ny kilaon’izany. Maro karazana ny savoka misy saingy mpivarotra iray mampiasa savoka tantely no nanontaniana teny an-toerana.
Nambaran’ity mpivarotra ity fa misy karazana ny entana amidiny eny Analakely.
“Rehefa anaty kapoaka kely izy, jifaina amin’ny vidiny 3 000 Ariary izany. Amidy amin’ny sarany 8 000 Ariary kosa ny anaty kapoaka lehibe”, hoy ity mpivarotra iray, misehatra amin’ny fivarotana savoka etsy Analakely.
Araka ny fanazavana nataony, samy manana ny tiany hanaovana sy hanamboarana ny azy ny savoka tantely. Ao ireo olona misafidy ny hanamboatra ny azy manokana, ary hatambatra amin’ny loko hafakely izay tiany, ao kosa ireo kamo manamboatra ka tonga dia mividy an’ilay efa vita avy hatrany eny an-toe­rana.
Raha ny hita teny an-tsena, mbola betsaka amin’ireo olona no mampiasa ny savoka tantely eto an-drenivohitra, ary saika hanadiovana sy hampangirana ny trano avokoa no ilain’izy ireo izany.
Araka ny fikarohana natao sy ny fahitana ny fiainan’ny olona andavanandro, iray amin’ireo akora tena malaza sy be mpampiasa manerana izao tontolo izao ny savoka. Tsy mety levona anaty rano anefa izy fa levona mora foana amin’ny menaka sy ny solitany. Noho izany no mahatonga azy ho singa tena ilaina amin’ny sehatra maro, na eo amin’ny asa tanana, ny indostria, ny fahadiovana, hatramin’ny fombafomba ara-pivavahana. Raha eo amin’ny karazany indray, azo zaraina roa lehibe ny savoka.
Voalohany, ny savoka voajanahary izay ahitana ny savoka tantely na «beeswax», vokarin’ny tantely rehefa manangana tohotra. Izy io no efa nampiasaina hatramin’ny andro fahiny ary mbola malaza amin’ny fanaovana jiro, toy ny labozia sy fanafody. Misy ihany koa ny savoka avy amin’ny zavamaniry, toy ny «carnauba wax», izay hita amin’ny ravina zavamaniry any Amerika Atsimo. Tsy latsa-danja amin’izany koa ny savoka mineraly, izay voarindra avy amin’ny tany sy ny solitany.
Faharoa, ny savoka indostrialy, izay vokarina amin’ny fanodinana petrolioma. Izy io no be mpampiasa indrindra amin’ny jiro amin’izao fotoana izao noho ny fahazoana azy mora sy amin’ny vidiny mirary.
Eo amin’ny fampiasana azy, tsy voafetra amin’ny fanaovana jiro ihany ny savoka.
Efa hatramin’ny ela no nampiasana azy tao anatin’ny fombafomba ara-pivavahana, indrindra fa ny jiro tao am-piangonana sy toerana masina.
Manana lanja lehibe koa ny savoka eo amin’ny sehatry ny hatsaran-tarehy sy ny fitsaboana, satria izy no singa fototra ao amin’ny crème, menaka manitra, «gloss», ary vokatra maro hafa. Tsy hadinoina koa ny sehatry ny indostria, izay mampiasa savoka amin’ny famolavolana sary sokitra, amin’ny fanamboarana saribakoly sy endrika, ary amin’ny fanosorana sy fiarovana ny hazo na ny hoditra mba haharitra ela.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: