Fifandraisan-davitra : Ampiasain’ny Airtel anaty finday ny teknolojia VoLTE

Hiaka vaovao amin’ny firesahana amin’ny finday ny VoLTE atolotry ny Airtel. Mifanandrify amin’ny vinan’ny fanjakana amin’ny fiovana mankany amin’ny fampiasana ny niomerika izany.

Nampahafantarina omaly, tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny mpanjifan’ny Airtel ny fampiasana ny VoLTE (Voice over LTE). Fotoana niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampandro­soa­na ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT), nanehoana ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny roa tonta. Nilaza ny tale jeneralin’ny Airtel, Ramatoa Anne Catherine Tchokonte, fa « tafiditra ao anatin’ny fanohizana ny paikady hampandrosoana sy hanavaozana ho maoderina kokoa ny teknolojia niomerika eto Madagasikara ity fotoana ity. Ao anatin’izany ny hanomezana tolotra vaovao, hiaka farany, amin’ny fampiasana ny finday ». Tsiahivina fa miompana amin’ny fampivoarana ny fifampiresahana amin’ny finday, ampiasana ny tambajotra 4G ny VoLTE (Voice over LTE). Manana ny kalitao avo (HD), ka azo atao ny miresaka tsy tapaka, nefa azo atao koa ny mampiasa ny internet na mampiasa tolotra hafa (applications) amin’ny finday, nefa tsy misy sarany amboniny.

Hisy tolotra vaovao hafa
Nohamafisiny koa, fa eo am-pamolavolana ny fampahafantarana ny karazana finday vaovao, « Smart Feature Phones » ihany koa, ankehitriny, ny Airtel Madagasikara. Notsipihin’ny minisitra MND­PT, Ramatoa Stéphanie Del­motte, fa « tafiditra ao anatin’ny paikadim-pirenena amin’ny fiovana mankany amin’ny teknolojia niomerika, nosoritan’ny filoham-pirenena, ity finiavan’ny Airtel Madagasikara ity. Mifanandrify tanteraka amin’ny vina nasionaly sy rezionaly. Vao omaly isika no nametraka ny e-commerce, nandritra ny atrikasan’ny Sadc teto Anta­na­narivo. Mazava izao, fa porofon’ny fiovana mankany amin’ny teknlojia niomerika ny VoLTE».
Nohamafisin-dRamatoa minisitra ihany koa fa hanohy ny fametrahana ny andrim-by, hanitarana ny fandrakofana tambajotra manerana ny Nosy ny fanjakana. Eo koa ny tetikasa fanabeazana sy sosialy, mba tsy hisy ho adino ny rehetra.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: