Hatao ny 25 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hesika lehibe, « Foaran’Analamanga » (Regan). Lohahevitra noraisina ny hoe, « Analamanga, faritra lovainjafy ». Mikarakara azy ny faritra Analamanga, izay mpanohana mivantana toy ny mahazatra ny orinasa Yas. Hasongadina amin’ity andiany fahatelo ity ny hampahafantaran’ireo distrika 13 ao anatin’ny faritra Analamanga, ny zava-bitany sy ny vokatra mampiavaka azy avy. Hisy ny « Carnaval » lehibe hatao ny sabotsy 27 septambra, miainga eo amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha mankeny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Maherin’ny 100 ny tranoheva handray anjara, ary mpitsidika hihoatra ny 15 000 no andrasan’ny faritra Analamanga amin’izany.
Manampy ny orinasa Yas, anisan’ny miara-miombon’antoka amin’ny fikarakarana ity hetsika ity koa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny Orinasa monisipaly ho an’ny fanadiovana sy ny fidiovana SMA. Ho an’ity farany, efa misy ny tetikasa hapetraka amin’ny fanodinana ny fako. Tsiahivina fa efa niteny ny filoha Rajoelina Andry, fa hakatona ny tobim-pako eny Andralanitra. Hisy koa ny tetikasa hanodinana ny fako eny ho vokatra vaovao azo ampiasaina.
Njaka A .




