VAOVAO TAMBATRA

Tontosa tao Toamasina, ny 22 septambra, ny fivoriana andiany faha-8 ho fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP). Nibahana nandritra ny fihaonana sy ny dinika natao ny momba ireo fomba fiasa eo anivon’ny seranan-tsambo manaraka ny fenitra. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka mahakasika ny fanafarana sy fanondranana entana. Tonga nanatrika izany ny minisitry ny Indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David.
Notontosaina ny 22 sy ny 23 septambra lasa teo, ny fanokafana ny tahiry horita, tsy maharitra tao amin’ny fokontany Maromena, distrikan’i Toliara II. Raha ny fanazavana voaray, toerana manana velarana 46 ha, natokana ho an’ity fitehirizana ity, izay tantanin’ny fikambanana LMMA Vatohara Soa. Naharitra telo volana teo ho eo ny fitehirizana, nanome fahafahana ny horita hitombo tsara ka nahazoana vokatra vonjy maika toy izao.
Nifarana ny omaly, tao amin’ny faritr’Amoron’i Mania, ny fiofanana mahakasika ny fiompiana trondro matihanina, niarahan’ny Fitaleavam-paritry ny fandraharahana ny fonja sy ny lehiben’ny jono sy ny toekarena manga, any amin’ity faritra ity. Tsiahivina fa miezaka manaparitaka fiofanana tahaka izao ny fanjakana, mba hampiroboroboana ny toekarena manga.

Partager sur: