Fanimbana ny tontolo iainana : Fototry ny doro tanety sy ny doro ala ny fambolena

Tsy andraikitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) irery ny fiarovana ny tontolo iainana. Iarahan’ny rehetra mifarimbona ny ady amin’ny fanimbana azy, satria, anisan’ny antony mahatonga ny doro ala sy ny doro tanety, ny fambolena ataon’ny olona. Mora mahazo vahana anefa ny afo amin’izao vanim-potoan’ ny maintany izao.
Manoloana izany, tsy misy afa-tsy ny fanentanana ny mponina eny ifotony no hany vahaolana. Anisan’izany ny natao tany amin’ny kaominina Miarinarivo sy Vavatenina. Nomena fampiofanana manokana ny Vaomieran’ny afo (VNA), mahakasika ny teknika fambolem-bary tsy mampiasa afo. Tanjona ny hanapariahana ity teknika ity any amin’ny tantsaha mpamokatra.
Ankoatra izay, natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny VOI Agnalave Miray Hina any amin’ ny kaominina Antanimora Atsimo, faritra Androy, ny bokin’ andraikitra mirakitra ny famindram-pitantanana ny harena voajanahary azo havaozina any amin’ny faritra arovana Angavo. Voakasik’ity hetsika ity ny fokontany enina ao amin’ ny kaominina Antanimora Atsimo, mitambatra ao anatin’ ny VOI Agnalave Miray Hina. Vonona tanteraka izy ireo hitantana maharitra ny harena voajanahary any amin’izy ireo avy.

Njaka A.

Partager sur: