Anisan’ny lalana tena ratsy ny RN6, indrindra ny eo Ambondromamy, mandalo Mampikony, Port-Bergé, Antsohihy, hatrany Ambanja. Asa atao koa ny fanatsarana sy ny fanarenana ny ao an-tampon-tanànan’Antsohihy.
Mandroso hatrany ny asa fanamboarana ny RN6, eo anelanelan’ Antsohihy sy Ambanja. Manatanteraka ny asa ny orinasa Colas, ao anatin’ny tetikasa CERC-PCMCI, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Anisan’ny zava-bita amin’izao fotoana izao, ny fanamboarana tetezan-kely (dalots) miisa 5 amin’ny 10, ka efa vita tanteraka ny 3 amin’ireo. Efa voararaka godirao, sosona voalohany (couche de base), manomboka eo anelanelan’ny PK 461+500, Ambanja, hatramin’ny PK 367, Mahitsihazo. Efa mandeha koa ny fanondrahana rano, hampifitsaka ny lalana any Ambanja.
Manampy ireo, anisan’ny tafiditra ao anatin’ny asa ihany koa ny fanarenana ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’ Antsohihy. Anisan’ny efa vita ny eo amin’ny Pompe Rafia hatreny amin’ny Siniben-drano, mitohy any amin’ny biraon’ny fananantany. Eo koa ny ao amin’ny banky BOA mankeny amin’ny tsena Bazar Be hatrany amin’ny banky BNI. Ny eo amin’ny hopitaly hatrany amin’ ny EPP Frangelo, ny eny amin’ ny sampanandalana efatra. Ny eo amin’ny Toerana 29 marsa, hatreny amin’ny Zandarimaria, ny Logistique pétrolier sy ny mankany amin’ny seranan-tsambo madinika.
Mizotra araka ny tokony ho izy
Hasiam-panamboarana tsy ho ela ny eo anelanelan’ny Jovena sy ny tetezana Ambavan’i Antsohihy. Eo koa ny eo amin’ny toby fiantsonan’ny fiara mpitatitra mihazo ny biraon’ny Fananantany. Hanomboka tsy ho ela koa ny manomboka eo amin’ny Jovena hatrany amin’ny tetezana Ambavan’Antsohihy.
Raha fintinina, mizotra araka ny tokony ho izy ny fanarenana ny RN6. Voakasik’ izany ny eo Ambondromamy mandalo an’i Mampikony, Port Bergé ary Antsohihy. Voakasik’ity asa ity koa ny eo Antsohihy hatrany Ambanja.
Njaka Andriantefiarinesy




