Manakara: Ampiofanina ny tantsaha

Natomboka tao amin’ny kaominina Marofarihy, distrika Manakara, faritra Fitovinany, ny 24 septambra teo, ny fampiofanana ny tantsaha. Voakasik’izany ny fampiofanana ny tek­nika Papriz, ny Pfumvidza. Eo koa ny fiompiana ny akoholahy (cocquelet), ny akohogasy nohatsaraina. Nanao ny fampiofanana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae).
Tonga tany an-toerana ny minisitra Minae, Hajarison Fran­çois Sergio, sy ny mpiara-miasa aminy. Nentaniny hatrany ny hampiharan’ny tantsaha mpamokatra ny teknikam-pamoka­rana, hanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo.
Navitrika ny tantsaha mpamokatra ary hita fa mazoto tokoa. Nambara fa vonona avy hatrany izy ireo hampihatra ny fiofanana noraisin’izy ireo. Tanjona ny hampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha sy hanatsarana ny fiainan’ny mponina, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo napetraky ny fanjakana, izay fanamby lehibe hampivoarana ny famokarana eto Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: