Niova ho adiny 3, indroa miantaona, ny delestazy ao amin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Izany hoe, tafakatra adiny 6 ny adiny
4 ora sy sasany, teo aloha. Vao manomboka anefa ny haintany, ary azo antoka, fa ho mafy kokoa hatrany ny fanapahana ny herinaratra. Anisan’ny antony mahatonga ny hetsika ataon’ny vahoaka ny fahataoahan-jiro sy ny rano, izay efa lasa lavitra tokoa ny toe-draharaha.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny Baobab Three Mahajanga, ny atrikasa fifanakalozan-kevitra nasionaly, andiany faha-3, ho fanatsarana ny politikam-panjakana momba ny fitantanana ny jono makamba eto Madagasikara. Natao handrindrana sy hanomezan-danja bebe kokoa ny vina izay voafaritra ao amin’ny politika nasionaly misahana ny fiarovana ireo karazan-javamananaina izany.
Azo atao ny manao fianaran-draharaha (stage) ao amin’ny sampana Fadintseranana Malagasy. Misy ny sivana ilaina, amin’ny alalan’ny fametrahana anaty antontan-taratasy izay apetraka ao amin’ ny sampandrarahan’ny Ladoany etsy Tsaralalàna. Ankoatra ny sivana amin’ny antontan-taratasy, hisy avy eo ny fanadihadiana am-bava.




