Marindrano ny sandam-bola Ariary tato anatin’ny iray volana farany. Ahina, hiova tampoka anefa izany, amin’izao fandrobana mihatra amin’ny tranombarotra maro izao, izay nivarotra entana nafarana avy any ivelany ny ankamaroany.
Tsy mihetsika firy ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny vola vahiny euro sy dolara.
Raha ny tamin’ny herinandro lasa teo, nidina tsikelikely ny sandan’ny Ariary miohatra amin’ny euro, izany hoe, nahazo aina kely.
Araka ny antontanisa navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), nisanda 5 195 Ar ny euro iray, ny 18 septambra, nidina ho 5 176 Ar ny ampitso. Mbola nidina ho 5 175 Ar ny 22 septambra, 5 169 Ar ny 24 ary tafidina 5 163 Ar ny 25 septambra. Azo lazaina fa marindrano, tsy nihetsika firy, noho izany, ny fiovaovan’ny Ariary miohatra amin’ny euro.
Toraka izany koa ny dolara. Manodidina ny 4 400 Ar kosa ny Ariary raha ampitahaina amin’ny dolara tato anatin’ny iray volana izao. Nisanda 4 448 Ar ny 1 dolara, ny 26 aogositra 2025, niakatra kely ho 4 459 Ar ny 29 aogositra, tafakatra 4 464 Ar ny 8 septambra. Nidina kely ho 4 460 Ar ny ampitso 9 septambra, ary niverina nidina 4 444 Ar ny 17 septambra. Niakatra kely ho 4 460 Ar ny 25 septambra teo. Raha aravona, samy tsy mihetsika firy, samy marindrano ny fiovaovan’ny Ariary raha oharina amin’ny vola vahiny euro sy ny dolara.
Hitombo ny fanafarana entana
Na izany aza, hampiova be ny lanjan’ny Ariary ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny mpahay toekarena iray (tsy nitonona anarana), fa entana afarana avy any ivelany avokoa ny namidin’ireo tranombarotra voaroba. Midika izany, fa tsy maintsy hitombo ny filàna vola vahiny, raha toa ka hanafatra entana indray izy ireo. Voatery hitotongana, noho izany, ny lanjan’ny Ariary. Nambaran’ity manampahaizana ity, fa iaraha-mahita ny miseho any ivelany, izay miantraika avy hatrany, eo no ho eo, isan’andro ny tsenam-bola (bourses), na dia tsy mbola misy an’io aza eto amintsika.
Njaka Andriantefiarinesy




