Jirama Fianarantsoa : Tsy mitazam-potsiny ny fihenan’ny rano

Manoloana izao hain-tany mandalo eto amin’ny nosy izao, namoaka fanambarana ny orinasa malagasy misahana ny jiro sy rano, (Jirama) ao Fianatantsoa, omaly. Araka ny nolazain’izy ireo, tsy mitazam-potsiny ny orinasa amin’ny fihenan’ny tosaky ny rano miditra ao amin’ny « captage » Ankidona, fa misy ny asa fametahana tohodrano mba hahafahana manangona rano faran’izay betsaka hanohizana ny famatsiana, indrindra amin’ireo faritra avo somary miala ny renivohitra.
Raha ny tenin’izy ireo hatrany, efa hita sahady ny vokatra tsara tamin’ity hetsika fanaovana tohodrano ity. « Tsapa ho misy vokany sahady izany satria raha 0,3m ny haavon’ny renirano teo amin’ny captage dia niakatra 0,7m izany taorian’ny nametrahana ny tohodrano. » hoy izy ireo tao anaty tambajotran-tseraserany.
Marihina fa olana irai­san’ ny maro ankehitriny, ny tsy fisian’ny rano ary efa miezaka ny mitady vahaolana amin’izany ny fanjakana sy ny orinasa jiro sy rano malagasy. Andra­sana ny hitohizan’ity tetikasa ity manerana ny nosy, amin’izao olana sedrain’ny Malaga­sy maro izao, ary irariana mba ho voavahan’ny orinasa io olana goavana io aoriana kely.

F.R

 

Partager sur: