Lalam-pirenena faha-4 : Atao anaty adiny 4 ny lalana Ambondromamy-Mahajanga

Vita ny ankamaroan’ny lalana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Mitohy ny fanavaozana ataon’ny orinasa CRBC, avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR).

Maromaro ny lalampirenena harenina, ankehitriny. Anisan’izany ny RN2, ny RN4, ny RN7. Ho an’ny RN4 (Antananarivo-Mahajanga), vita ny fanarenana ireo ampahany tena ratsy, hatreo Ambovomandresy. Atao ao anatin’ny adiny 4, amin’izao fotoana izao, ny halavirana eo Ambondro­ma­my hatrany Mahajanga, raha toa ka adiny 5 izany tany aloha. Anisan’ny miverina amin’ny laoniny, tsy manahirana intsony, ny mandalo eo amin’ny vahilava misy ny farihin’Amboromalandy. Efa manomboka ny fandrarahana sosona fototra (couche de base) amin’io ampahany io, eo anelanelan’ny PK 480 sy PK 481.
Manampy izany, mitohy ny fametrahana sy ny fananganana ny fotodrafitrasa, any akaikin’ny tanànan’i Marosa­koa, eo amin’ny PK 476. Ilaina amin’ny fanomanana ny akora fototra hanamboarana ny lalana izany, toy ny mamaky sy manapotika ho vatokely sy fasika. Efa mandeha ihany koa ny fametrahana vy (ferraillage, semelle) hanaovana ny « radier » eo amin’ny PK 449 ao amin’ny faritra Fasi­kabe, mialoha ny fidirana any Andranofasika.

Tsy mbola taterina ireo milina

Manatanteraka ireo asa ireo ny orinasa CRBC, amin’ny alalan’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR). Misy koa anefa ny asa fanamboaran-dalana hafa, amin’iny RN4 iny, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena (BM), ao anatin’ny tetikasa PDDR sy Cerc PCMI. Tafiditra ao anatin’ny famatsiam-bolan’ny FR sy ny BM ihany koa ny fanarenana ireo lalam-pirenena hafa voalaza etsy ambony. Ho an’ny RN2, eo am-panatanterahana ny fanafainganana ny asa, indrindra ny toerana ratsy, ahafahana mitatitra ireo milina mpamokatra herinaratra 105 MW, izay tokony ho nanomboka ny 20 septambra teo, ny andiany voalohany, ary haharitra telo andro. Tsy tanteraka izany hatreto.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: