Sambany! Tokony hiova isam-bolana ny vidin-tsolika eto amintsika, satria manaraka ny fiovaovany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Efa nampiharina nanomboka ny volana janoary 2025 izany. Mandeha ho azy ny fanovana, saingy tsy mihoatra na latsaky ny 200 Ar, araka ny fifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny fanjakana malagasy. Tsy niova anefa izany vidiny izany, omaly 1 oktobra, ary tsy mbola nisy ny fanazavana avy amin’ ny minisiteran’ny Angovo, na koa avy amin’ny Ofisy malagasin’ny akoranafo (OMH).
Ampy ny tahiry
Ankoatra izany, manamafy ny OMH fa ampy ny tahirin-tsolika amin’ny toby fitahirizana manerana ny Nosy. Afaka mamaly tsara ny filan’ ny mpanjifa sy ny mpampiasa solika izany. Mila fitandremana anefa amin’ny alalan’ny fanajana ny fepetra rehetra momba ny fahadiovana, ny fiarovana ary ny tontolo iainana, araka ny fitsipika HSE. Satria saro-pady ny fanatobiana, ny fitaterana sy ny fikirakirana solika, mahatonga ny fikatonan’ny toby mpaninjara solika vitsivitsy, indrindra eto Antananarivo.
Manaraka akaiky ny fizotry ny famatsiana ny OMH sy ny mpandraharaha ara-tsolika, ary manentana ny mpanjifa ho tony manoloana ny vaovao tsy marim-pototra.
Njaka A.




