Tsy mbola misy ny vahaolana hitohizan’ny tsena Agoa, tsy andoavana haba amin’ny fanondranana entana any Etazonia. Mitohy kosa ny fifampidinihana eto an-toerana.
Tapitra ny 30 septambra teo ny fe-potoana tsy hitataovana hetra sy haba ny entana aondrana any Etazonia, ao anatin’ny tsena Agoa. Nanao fanambarana iombonana ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) ary ny Vondron’ny orinasa afakaba (GEFP) mahakasika izany, ny 1 oktobra teo. Voalaza fa tsy nisy ny vahaolana, hatreto, na teo aza ny fanohanan’ireo mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna amerikanina ny hanohizana mandritra ny fotoana fohy ny fifanarahana. Satria, tsy afaka miasa amin’ny ampahany ny governemanta federaly amerikana, noho ny tsy fisian’ny fankatoavana ny tetibola tao amin’ny Kongresy.
Araka izany, mihatra nanomboka ny 1 oktobra teo ny haban-tseranana ho an’ny entana avy aty Madagasikara miditra any Etazonia. Na izany aza, mety hisy ny fanantenana raha toa ka mivoaka ny tetibola ao amin’ny Kongresy amerikanina, ka mila faharetana kely ho an’ny mpandraharaha aty Madagasikara.
Fifampidinihana eto an-toerana
Mandritra izany, manao ny andraikitra tandrify azy avy ny fitantanan-draharaham-panjakana eto an-toerana, mikarakara ny antontan-taratasy araka ny lalàna sy ny fenitra mihatra eto an-toerana ho an’ny fanondranana entana ao anatin’ny tsena Agoa. Ao anatin’izany ny taratasy fiavian’ny entana, ny faktiora, sns.
Mitohy kosa ny fifampidinihana eo amin’ny mpisehatra rehetra mahakasika ity tsenam-barotra ity ho an’ny rafi-panjakana sy ny tsy miankina. Tsiahivina fa tamin’ny volana aogositra teo no nanapa-kevitra ny fitondrana amerikanina, araka ny toromariky ny filoha Donald Trump, ny hitataovana haba ny entana miditra ao Etazonia, arakaraka ny firenena tsirairay avy, ka 15% ho an’ny avy aty Madagasikara.
Njaka Andriantefiarinesy




