Mampandre ny vahiny mitsidika eto Madagasikara ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), fa misy ny laharana finday azo antsoina, hanomezana torolalana azy ireo, manoloana ny toe-draharaha eto amintsika. Ireto avy izany: 034 02 661 13, 038 48 568 65, 038 60 024 36 ary ny 038 51 599 51. Azo atao koa ny manatona mivantana ny Biraon’ny fitantanam-paritry ny Fizahantany sy ny taozavatra, manerana ny faritra.
Niaina kely ny mpivarotra sy ny mpitatitra, omaly. Satria tsy nisy ny fihetsiketsehana nataon’ny Gen Z sy ny tanora. Mba afaka nivarotra an-kalalahana sy nitatitra araka ny tokony ho izy izy ireo. Nisokatra avokoa ny ankamaroan’ny lalana teto an-dRenivohitra, indrindra ny tao Analakely. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny ho tohin’ny toe-draharaha ka mitaintaina ny rehetra.
Somary nihena ny isan’ireo mpivarotra tetsy amin’ny tsena Alakamisy, Mahamasina, omaly. Araka ny fanadihadiana natao, matahotra ny isian’ny korontana sy ny savorovoro amin’izao fotoana izao ny maro ka aleon’izy ireo misafidy hijanona any an-trano ihany aloha. Marihina fa tsy nisy tolona, omaly, araka ny fanambarana nataon’ny Gen Z.




