Lalam-pirenena fahafito: Mandeha ny fanarenana ny faritra tena ratsy

Anisan’ny lalam-pirenena harenina ihany koa ny RN7, miaraka amin’ny RN2, ny RN4, ny RN6, sns. Manara-penitra sady tsy maintsy hajaina ny fe-potoana hanaovana ny asa. Miisa efatra ny ampahan-dalana anisan’ny harenina any amin’ny faritra Amoron’i Mania. Amin’izao fotoana, asa atao ny fanadiovana ny manodidina ny lalana (cantonage) sy ny anaty lalana. Ao anatin’izany ny fanalana ny zavamaniry manarona sy ny fanamboarana ny sisin-dalana, izay ma­nampy betsaka amin’ny fiarovana sy ny hampateza ny lalana. Mandroso ny asa eo anelanelan’ny PK300 hatrany amin’ny PK311, izany hoe, mirefy 11 km. Misy ny fikojakojana haingana, ny fanarenana ny lavaka lehibe, totofana godirao. Eo koa ny fametrahana ny lakandrano hampandeha tsara ny rano, sady tsy hahasimba ny lalana amin’ny vanim-potoan’ ny orana. Manampy ireo, mandeha ny fikojakojana tsy tapaka mba hitazonana ny kalitaon’ny lalana sy hampaharitra azy.
Etsy ankilany, mandeha ny asa amin’ny fanarenana ny ampahan-dalana maromaro amin’ny RN7, toy ny any Vaki­nan­karatra, manomboka eo Ambatolampy hatrany Antsi­rabe.

Njaka A.

Partager sur: