Sempidou : Nanambara fa hanao fitokonana faobe

Taorian’ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fandintseranana, Sempidou. Nanao fanambarana ho an’ny rehetra izy ireo, omaly, tetsy Anka­difotsy. Nisongadina tao anatin’izany ny filazana fa hanao fitokonana faobe mandritra ny telo andro ny mpiasan’ny fandintseranana rehetra mane­rana an’i Madagasikara.
Araka ny fanazavana na­taon’izy ireo, mbola misy ihany ny tolotra hatao ho an’ny fandraisana ny fitaovana ara-pi­tsaboana sy ny fanafody hatao amin’ny hopitaly.
Tsy tafiditra anatin’ity to­lotra ity kosa ny fitaovan’ny mpitandro filaminana, raha ny filazan’ izy ireo. « Tsy anatin’ ity « service minimum” ity ny fitaovan’ ny mpitandro filaminana satria raha ny zavatra hita ankehi­triny, famonoana olona no ataon’izy ireo eto amin’ny firenena, amin’izao zava-misy izao », hoy i He­rizo Andriana­valona Rama­nam­bola, filohan’ ny sendikà Sem­pidou.
Nomarihin’izy ireo fa ha­nom­boka ny alatsinainy ho avy izao, ny fitokonana ary manome fe-potoana ny mpitantana ny firenena izy ireo, hihaino ny va­hoaka izay mitaraina amin’ izao zava-misy izao. Notsia­hi­viny ihany fa raha tsy mbola misy ny fandraisana fanapahan-kevitra, hitohy ny fitokonana faobe, aorian’io telo andro io.

F.R

Partager sur: