Tsenan’ny solika : Tafidina 64 dolara ny vidin’ny barila

Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Anisan’ny mahatonga izany ny hamaroan’ny vokatra eo amin’ny tsena, nefa kely ny tinady na ny mpanjifa.

Tafidina amin’ny vidiny ambany indrindra ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, nanomboka ny volana mey 2025. Omaly, tafidina 64,90 dolara ny salam-bidin’ny iray barila (=159 litatra) teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 64,11 dolara/b ny vidiny eo amin’ny tsena Brent any Eoropa avaratra, raha 60,48 dolara/b any Etazonia, amin’ny tsena West Texas.
Anisan’ny antony mahatonga io vidiny ambany io ny fiandrasan’ny mpanafatra so­lika ny Vondrona mpamokatra solika Opep, hampitombo ny solika vokariny. Faninefany izao fitotongan’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena izao. Hivory ampitain-davitra, amin’ny alahady 5 oktobra ho avy izao, ny firenena mpamokatra, ahitana an’Arabia Saodita, Rosia, miampy ireo firenena enina ao anatin’ny Opep. Anisan’ny tena hifampidinihana amin’ io ny hampiakarana ny fe­tran-tsolika azo vokarina ho 137 000 barila, isan’andro, manomboka amin’ny volana novambra 2025. Misy koa anefa ny loharanom-baovao fa mety ho tafakatra hatrany amin’ny 500 000 barila isan’andro io fetrisa io. Nitsipaka marindrano izany anefa ny Opep, araka ny fampahala­lana navoakany tao amin’ny tambajotra X, ny talata 30 septambra teo.

Tokony hidina
Efa mihatra eto Mada­gasikara ny tena vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Na izany aza, tsy ma­hazo mihoatra na latsaky ny 200 Ar ny fiovana isam-bolana. Tsy niova anefa ny vidin-tsolika tamin’ity volana oktobra ity. Raha mitohy ny fitotongany eo amin’ny vidiny iraisam-pire­nena, azo antoka hidina foana ny eto amintsika. Vidiny roa volana mialoha no ampiharina satria io no fotoana nividia­nana azy tany amin’ny mpanafatra. Izany hoe, vidiny teo amin’ ny tsena iraisam-pire­nena tamin’ny volana jolay no nampiharina amin’izao volana oktobra izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: