Mitotongana tanteraka ny fidiram-bolan’ny mpitatitra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, nanomboka tamin’ny nisian’ny fihetsiketsehana, ny 25 septambra teo. Ny tapakandro maraina sisa izy ireo no afaka miasa, nefa koa kely ny vola miditra satria vitsy ny mpandeha. Nilaza ny mpitatitra amin’ny taxi-be 109, avy any Antanandrano Ambohitrarahaba mankeny Anosy, fa tsy mahazo afa-tsy 15 000 Ar hatramin’ ny 20 000 Ar sisa izy ireo.
Napetraka ny gropy mamokatra herinaratra vonjy taitra miisa 25, ho an’ny toby famatsiana rano eto Antananarivo. Entina hampandehanana ny famatsian-drano tsy tapaka ireo fitaovana ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Paaep, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena, entina hanatsarana ny fisitrahana rano madio fisotro, mitentina 220 tapitrisa dolara izy io. Nanomboka tamin’ny taona 2022 ny asa.
Atao anio 4 oktobra ny fiofanana mahakasika ny fiompiana trondro any amin’ny Tranompokonolona Ambohitsilaozana Ambatondrazaka. Hiompana amin’ ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary ary ny famokarana zana-trondro ny fiofanana. Miara-miasa manatanteraka azy ny minisiteran’ny Jono (MEPB) ny fikambanana Ecovers Alaotra ary ny Istralma Alaotra Mangoro.




