Manohana ny tantsaha mpiompy trondro ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny Toekarena manga (MPEB). Anisan’izany ny fidinana ifotony nataon’ny Fitantanam-paritra DRPEB Amoron’i Mania tany amin’ny kaominina Ambohimahazo, distrika Manandriana, ny herinandro lasa teo. Tanjona, ny hanamorana ny fahazoana ireo tohana avy amin’ny minisitera ny fidirana ao anatin’ ireo vovonana sy fikambanana. Nisy ny fanazavana mahakasika ny tolotra misy sy ny andraikitra ho an’ireo mpiompy trondro miisa 36 mivondrona ao anatin’ny Vovonan’ ny Mpiompy trondro ao amin’ ny kaominina Ambohimahazo (VMKA), misalotra ny anarana Rano Ala. Nentanina izy ireo mba hanana karatra maha mpiompy sy karatra entina mivarotra ny vokatra.
Nampahafantarina sy nohazavaina ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fiompiana trondro. Eo koa ny sazy miandry ho an’izay minia mandika izany. Taorian’ny fotoana, nisy ny fitsidihana ny dobon’ireo mpikambana ao anatin’ny VMKA, sady nijerena ifotony ny lafiny teknika entina hanatsarana ny famokarana sady nanintsiana ny lesoka mila harenina, hampitomboana ny vokatra.
Fiofanana maimaimpoana
Tsiahivina fa misy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny minisitera na ny fitantanam-paritra, manome fiofanana maimaimpoana isam-paritra. Natao izany entina hampiroboroboana ny seha-pihariana jono ho an’ireo liana amin’ny fiompiana trondro sy ny famokarana sakafon-trondro.
Njaka A.




