Manohy ny asany ny sampandraharahan’ny fadintseranana na eo aza ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Misy koa ny fandaminana manokana, sady hikarakarana ireo manan-draharaha aminy.
Mandray fepetra ny fitantanana foibe ny Fadintseranana malagasy, mba hampandeha araka ny tokony ho izy ny fomba fiasa. Napetraka ny dingana « Procédure Downgrade » manokana, izany hoe, ahena kely ny hafainganam-pandeha amin’ ny fomba fiasa ho an’ny birao na sampandraharaha nosafidiana. Noraisina io fepetra io ahafahana manohy ny asa andavanandro sady fiarovana ny mpiasan’ny Fadintseranana amin’izao fotoan-tsarotra sy tsy marin-toerana eto amin’ny firenena izao. Ampiharina isan’andro arakaraka ny fanombanana ny ambana sy ny zava-misy iainan’ny birao sy ny sampandraharaha manerana ny Nosy ity fepetra ity.
Manatanteraka fomba fiasa « Downgrade » ny birao sy ny sampandraharaha, mi-fantoka amin’ireo asa tena
ilaina sy tsy maintsy tohanana amin’ny toe-draharaha manokana. Manohy ny asa andavanandro toy ny mahazatra kosa ireo birao tsy tafiditra ao anatin’izany.
Manamafy ny fitantanana foibe ny Ladoany, fa napetraka ity lamin’asa ity mba hahafahana manohy ny asam-panjakana sy mamaly tsy tapaka ny hetahetan’ny manan-draharaha rehetra amin’ny Fadintseranana. Anisan’izany, ny olon-tsotra, ny mpandraharaha, ny orinasa, sns. Ahafahana ihany koa, mametraka ny fitandremana ilaina manoloana ny loza sy ny ambana mety hitranga. Notsipihin’ny mpitantana ny Ladoany Malagasy fa tsy maintsy atao ny fomba rehetra amin’ny fanatanterahana ny adidiny hitadiavana ny marimaritra iraisana eo amin’ny fahombiazan’ ny asa. Eo koa, ny fiarovana ny mpiasa ary indrindra ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra ho tombontsoan’ ny toekarem-pirenena.
Mitokona mandritra ny 3 andro
Tsiahivina fa mitokona manomboka androany, mandritra ny telo andro, ny mpikambana ao anatin’ny Sendikan’ny mpiasan’ny Ladoany (Sempidou), manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Misy kosa anefa ny asa farafahakeliny atao.
Njaka Andriantefiarinesy




