Nisokatra ny magazay na tranombarotra sasany, omaly maraina. Nambaran’ireo mpivarotra, fa tsy maintsy manararaotra mivoha izy ireo ny maraina, mialoha ny fihetsiketsehana. Satria, tsy maintsy mampidi-bola. Ho azy ireo, tsy fantany mihitsy ny ho tohin’ ny toe-draharaha ka aleo hatao ny fomba samihafa hampandehanana ny fihariana. Tsy mbola nisokatra kosa ny magazay sasany eny Behoririka sy Analakely.
Mizotra toy ny andavanandro ny tsena eto an-dRenivohitra, toy ny eny Andravoahangy, Anosibe, sy ireo fokontany maro hafa. Tsy nisy kosa ny tsena isaky ny Alakamisy, eny Mahamasina, noho ny tahotra amin’ny mpanao fihetsiketsehana. Tsy miova ihany koa ny vidin-tsakafo, toy ny legioma sy ny anana, sady ao anatin’ny fahamorany izao, mialoha ny fiavin’ny orana.
Manomboka ny vanim-potoana fizahantany an-tsambo vaventy (croisière). Nisantatra izany ny fahatongavan’ny sambo vaventy niantsona tany Baly Soalala, ny 23 septambra teo. Tombontsoa lehibe amin’ ny fizahantany an-tsambo ny fisian’ny mpizahatany aman-jatony indray miaraka, sady mitety toerana maro ka afaka manjifa ny vokatra isan-toerana.




