Manoloana ny zava-misy ankehitriny, naneho ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera i Moustapha Marson Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, omaly. Araka ny nambarany, tombanana ho 187 miliara Ariary ny fatiantoka hita amin’ity krizy mandalo eto amin’ny firenena ity. Araka ny nambarany, fahavoazana lehibe ho an’ny toekarena malagasy izany. Raha ny fanazavany, efa mihoatra ny 45 000 ny asa rava. Ankoatra izany, mpiasa maherin’ny 12 500 no voatery mijanona tsy miasa noho ny Chômage technique. « Araka ny tatitry ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky iraisam-pirenena, hihemotra ny vinavina fitomboana ara-toekarena ho an’i Madagasikara, izay tokony ho 4,6 %, amin’ity taona 2025 ity. Tsy tanteraka intsony ny tanjona fampandrosoana napetraka tany am-piandohan’ny taona. Mitombo hatrany ny fidanganam-bidy ka manindry ny toekarena sy ny fari-piainan’ny olona, ary miharatsy ny fahavoazan’ny fiarahamonina manerana ny Nosy », hoy ity minisitra teo aloha ity. Manoloana izany, nanambara ny Filoham-pirenena fa re sy noraisiny ny fitakian’ny vahoaka. Miantso ny rehetra ny minisitra mba hifampiresaka sy hifampihaino. « Manantena aho ny hiverenan’ny fandriampahalemana sy ny fitoniana politika, izay ilaina tokoa amin’ny fanarenana ny toekarena amin’ny fitazonana asa ho an’ny tanora sy ny vahoaka ary ho fiarovana ny firaisankin’ny Malagasy», hafatra nampitain’i Moustapha Abdulah Marson, minisitry ny tanora teo aloha.
F.R




