Fizahantany : Manomboka tonga ny sambo vaventy

Nisantatra ny fizahantany amin’ny fandehanana amin’ny sambo vaventy ny sambo The World. Niantsona tany amin’ny morontsiraka ao amin’ny Valanjavaboahary Baly, Tsin­gy Namoroka, any Soalala, ity sambo ity, ny 23 septambra teo. Taorian’ny faritra Boeny, ni­hazo ny any Antsiranana, fa­ritra Diana, indray izy io, nahitana mpandeha 198. Nihazo ny Valanjavaboahary Masoa­la, ny 1 oktobra, ary nitohy ny 2 oktobra, mialoha ny nandehanana tany Nosy Sainte Marie (Nosy Boraha).
Araka izao ataon’ny mpizahatany mandeha sambo izao, toerana ahitana zavaboahary mahaliana sady tsy fahita eto Madagasikara no tena mahasarika azy ireo. Manankarena ara-kolotsaina ihany koa isika, satria samy manana ny mampiavaka azy ny toerana sy ny faritra tsirairay. Mitondra fampandrosoana ho an’ny toekarena eny ifotony. Satria manome asa isan-karazany ho an’ny mponina, ka misitraka mivantana amin’izany ny mpitaridia, ny mpanao asa tanana, ny mpampanofa fiarakodia, sns.
Niisa 47 856 ny mpizahatany nandeha sambo vaventy tamin’ny taona 2024. Avy any amin’ny firenena samihafa, nahita ny hakanton’i Madaga­sikara amin’ny lafiny zavaboahary, ireo zavamananaina tsy fahita raha tsy eto amintsika ny ankamaroany. Malaza amin’ny fahaizana mandray vahiny ihany koa ny Malagasy.

Njaka A.

Partager sur: