Foara « IATF » : Nasongadin’i Madagasikara ny PICM tany Alger

Natao ny 4 hatramin’ny 10 septambra teo, tany Alger, ny Foara ara-barotra ho an’ny afrikanina (IATF 2025) andiany fahefatra. Anisan’ny hetsika ara-toekarena lehibe indrindra aty Afrika ity natao ity.

Nahavory mpitsidika ma­herin’ny 35 000 avy any amin’ny firenena miisa 80 sy orinasa mpandray anjara maherin’ny 2 000 ny “IATF”. Nanohana ny foara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ao anatin’ny Tetikasa fanajariana ny tandavanala sy fanamorana ny va­rotra (PACFC). Hita tao amin’ ny tranohevan’i Madagasika­ra, Pavillon Rhumel Africain, ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Nentina nampiroboroboana ny Varavarana ho an’ny fampahalalam-baovao ara-barotra eto Madagasi­kara (PICM). Teny filamatra noraisina ny « hita amin’ny fi­kitihana kely fotsiny ny mahakasika ny varotra rehetra ! ». Nanomboka tamin’ny avrily 2024 ny PICM, fitaovana niomerika stratejika, manangona sy manamora ny antontam-baovao rehetra ara-barotra eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena.

Fifanakalozana malalaka Zlecaf

Nanamafisan’i Madagasi­kara ny fisiany ara-toekarena aty Afrika ny PICM. Hanamo­rana ny fidirana ao anatin’ny Faritra ifanakalozana malalaka (Zlecaf). Nilaza ny talen’ny Varotra ivelany ao amin’ny minisitera, i Joeline Hariniaina Modeste, fa « tsy azo ialana, ankehitriny, ny fampiasana ny niomerika. Fanoitra lehibe hampahafantarana an’i Mada­gasikara aty Afrika. Ho mora amin’i Afrika ny hifanakalo ara-barotra amin’i Madagasi­ka­ra amin’ny fanafarana sy fanondranana entana any ivelany ».
Nasongadin’ny tale jeneralin’ny Varotra, Razanakoto Isidore, fa « fanehoana fa mpisehatra tsy azo ihodivirana i Madagasikara aty Afrika, amin’ny alalan’ny PICM. Nane­hoana ny fahavononantsika hiditra ao amin’ny tsena afrikanina ny fandraisana anjara tany amin’ny IATF 2025”.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: