Anisan’ny mpampianatra teny vahiny, manana ny lazany any ivelany, Ramiadamanana John Spartane. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, ny faran’ny herinandro teo.
“Tsotra sy tia mizara”! Izay no teny hamehezana an-dRamiadamanana John Spartane, fantatra amin’ny anarana hoe John Spartane, ao amin’ny tambajotran-tserasera. Tia mizara sy mampianatra ny teny vahiny ny tenany. Araka ny fanazavany, efa asany mihitsy io ary ny teny anglisy sy espaniola no tena ampianariny. Misy fomba tsotra hahafehezana ny teny vahiny, raha ny fanazavany dia ny mihaino sy mamerina. “Mihaino dia mamerina, toy ny ankizy mianatra miteny no tena ilaina raha tiana ny hahay teny ankoatra ny teny malagasy, indrindra ny anglisy”, hoy i John Spartane, Malagasy any ivelany, mampianatra teny vahiny.
Nilaza ny tenany fa mora ho azy ny mianatra ny teny anglisy satria sady tiany ilay izy, ary andaniany fotoana. Nanazava i John Spartane fa tsy misy dingana be arahina raha tiana ny ho any ivelany, fa arakaraka ny olona tsirairay sy ny zavatra ilainy ihany no handehanana any.
“Tsy misy dingana arahina efa voatefy ho tsy maintsy izao sy izao fa arakaraky ny olona sy ny zavatra ilainy ihany io. Hianatra ve sa hiasa sa hanao vacances dia mila mifanaraka amin’izay ilay visa atao”, hoy hatrany ity mpanabe ity.

Mampiana-tena
Betsaka amin’ireo Malagasy eto an-tanindrazana no mbola sahirana ara-bola. Misy amin’izy ireo ny maniry ny hampiana-tena, misy ny mijanona fotsiny amin’izao satria sarotra aminy ilay manao “auto didacte”. Raha ny hevitr’ i John Spartane, afaka atao tsara izany, saingy miankina amin’ny finiavan’ny tsirairay izany.
“Azo atao tsara ny mampiana-tena fa arakaraky ny olona manao azy. Misy ny olona tsy mahay mianatra irery, ary misy olona mahay izany”, hoy ity Malagasy milaravinahitra any ivelany ity.
Nomarihin’i John Spartane fa mila maharitra raha tiana ny hahafehezana teny vahiny, fa tsy vitan’ny andro na volana vitsy izany. Nambara izy fa “singa iray tena ilaina ny faharetana rehefa hianatra azy itony. Ny fianarana teny vahiny tsy vita ao anatin’ny telo volana izany”. Nametraka hafatra ho an’ny tanora sy ny Malagasy ny tenany.
“Aza raisina matotra be ny fiainana fa ifalio. Izay zavatra tiana hatao ihany no handaniana andro ary ataovy izay hahaizana an’iny, fa afaka mivelona amin’iny zavatra tianao iny ianao raha matoky tena sy miasa mafy.”
Tsara ny mampahafantatra fa Malagasy mipetraka any Etazonia Ramiadamanana John Spartane.
Ny maha zava-dehibe ny fianarana teny vahiny
Amin’izao fotoana iainana izao, lasa tena zava-dehibe ny fahaizana teny vahiny. Araka ny fikarohana natao, teny iray na roa fanampiny dia efa ampy hanokatra varavarana ho amin’ny fahalalana sy ny tombony maro eo amin’ny fiainana.
Voalohany, ny fianarana teny vahiny dia manamora ny fifandraisana amin’ny olona avy amin’ny firenena sy kolontsaina hafa. Mampitombo ny fifankahazoana izy io ka manamora ny fifampiresahana amin’ny sehatra samihafa, na amin’ny asa, na amin’ny fianarana, na amin’ny fizahantany. Faharoa, manokatra lalana ho amin’ny asa sy fandraharahana vaovao ny teny vahiny. Amin’izao tontolo iray fifandraisana izao, ny orinasa sy ny fikambanana maro dia mitaky olona mahafehy teny vahiny, indrindra ny teny anglisy, izay lasa fiteny iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny siansa, teknolojia, varotra. Fahatelo, manitatra ny fahalalana sy ny fisainana ny fianarana teny vahiny. Rehefa mahafehy teny hafa isika dia afaka mamaky boky, mijery vaovao, mihaino mozika ary mijery sarimihetsika amin’io fiteny io, manampy antsika hahazo fomba fijery vaovao sy ho lasa olona malalaka saina. Farany, ny teny vahiny dia fitaovana iray ahafahana mifaninana amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Raha tia handroso sy hiatrika izao tontolo izao vaovao ny tanora dia tsy maintsy mandray ny fahaizana miteny vahiny ho toy ny fitaovam-piadiana lehibe eo amin’ny hoaviny.
Nanatontosa : Fitia Randria




