Fadintseranana : Nohadihadiana ny seranan-tsambo miisa 9

Paikady lehibe apetraky ny Fitantanana foibe ny Fa­dintseranana malagasy, ny fanavaozana ny fomba fiasa rehetra. Misy ny fiarahana miombon’antoka amin’ny Ban­ky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny Bi­raon’ny Firenena mikambana ho an’ny asa manohana ny tetikasa (Unops) ary ny governemanta malagasy.
Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, toy ny seranan-tsambo. Nitety ny seranan-tsambo miisa sivy (Antsira­nana, Vohemar, Antalaha, Nosy Be, Mahajanga, Toama­sina, Toliara ary Taolagnaro), ny jolay sy aogositra 2025 teo, ny ekipa niarahan’ny teknisianina eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Nijery ifotony ny zava-misy, nifampidinika tamin’ny mpisehatra rehetra amin’ny seranan-tsambo ary nanadihady ny antontam-baovao rehetra. Notombanana ny fotodrafitrasa rehetra sy ny dingana mahakasika ny ladoany samihafa.

Samy misy ny lesoka
Nampahafantarina ny mpisehatra rehetra, ny 5 septambra teo, ny vokatry ny fanadihadiana. Notsipihin’ny fitantanana foibe ny Fadintseranana malagasy, fa tanjona ny hampanarahana amin’ny fenitra sy ny fitsipika iraisam-pirenena ny fanavaozana hatao. Samy ahitana lesoka avy ny seranan-tsambo tsirairay. Maro loatra ny mpisehatra any Toamasina. Tsy ampy ny fampiasana ny niomerika any Antsiranana, Toliara, antitra ny fotodrafitrasa any Maha­janga, sns. Tsy voafehy koa ny toerana tsy ahitana sampandraharahan’ny ladoany, mampirongatra ny trafika. Vahaolana aroson’ny Fadin­tseranana malagasy ny famolavolana drafitrasa mirindra sy ny lafiny fitandroana ny fandriampahalemana any amin’ny toerana na faritra marefo.

Njaka A.

Partager sur: