Vita, omaly, ny fampiakarana anaty fiarabe ireo milin’ny Jirama, 105 MW, tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsiahivina fa nanomboka ny talata teo, ny fandaharam-potoana, hitaterana ireo ampahany voalohany, miainga any Toamasina, miakatra aty Antananarivo. Mandritra ny telo andro ny faharetan’ny dia, manomboka amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva ary tsy mandeha amin’ny alina. Mijanona eo Brickaville sy Moramanga mandritra izany.
Misokatra tsikelikely ny tranombarotra sy ny magazay, indrindra ny eny Behoririka, omaly. Anisan’izany ireo mpivarotra kojakoja informatika, finday, kojakoja ao an-trano, akanjo, sns. Nisy ihany koa ny tsenan’Andravoahangy, toy ny isaky ny alarobia. Tsy azo naleha kosa ny teny Analakely, ary nisy magazay vitsy nisokatra. Etsy ankilany, nikorontana ny fifateram-bahoaka amin’ny taxi-be.
Mampandre ny mpanjifa ny Madagascar Airlines fa misy ny fandaminana manoloana an’izao zava-misy iainan’ny firenena izao. Hisy ny fanitsiana na ny fanafoanana ny sidina, arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha. Eo koa ny fandraisana an-tanana ny mpanjifa tratry ny sidina nahemotra, na nofoanana. Misy ny fandaminana mahakasika ireo ary havoaka ao aoriana kely ny fampahalalana ny mpanjifa izany.




