Tetikasa S2Nap : Fiarovana ny ala honko any Menabe

Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa S2Nap sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maha­ritra (Medd). Tanjona ny hiarovana sy hitantanana maharitra ny ala honko any amin’ny faritra Menabe. Anisan’ny fomba mahomby hampiharana izany ny fanentanana ny ankizy mpianatra. Nisy ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mponina any amin’ny fokontany Kivalo sy Lovobe, kaominina Bema­nonga Bosy sy Marofandilia, izay manana ala honko midadasika tokoa.
Nampahafantarina ny ankizy mpianatra ny karazana zavatsoa azo avy amin’ny ala honko ka tsy maintsy hiarovana azy ireny. Anisan’ny nentina nanamorana ny fampitana izany ny fampiasana ny « Kit Madere » amin’ny alalan’ny fampisehoana sary isan-karazany. Ankoatra ny fanentanana, niza­rana fitaovam-pianarana ihany koa ny mpianatra avy amin’ny kilasy fahatelo, fahefatra ary fahadimy.
Tsiahivina fa ao anatin’ny faritra arovana ny any amin’ny faritra Menabe.

Njaka A.

Partager sur: