Hikatona ny 15 oktobra hatramin’ny 15 novambra ho avy izao ny fotoam-panjonoana an-dranomamy, ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Antony, fotoana ahafahan’ny trondro manatody mba hitomboany isa io vanim-potoana io. Maro ny fitaovam-pifandraisana hampandrenesana ny mpanjono sy ny besinimaro, toy ny petadrindrina eny amin’ny biraom-panjakana, ny radio ary ny fanentanana eny ifotony. Miovaova ny fotoana hikatonany isam-paritra.
Mandray anjara amin’ny foara « TTG Travel Experience” any Rimini, Italia, ny 8 hatramin’ny 10 oktobra izao, i Madagasikara. Misolo tena antsika ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be. Marihina fa avy any Italia ny 65% ny mpizahatany tena mitsidika an’i Nosy Be. Tanjona ny hampahafantarana bebe kokoa an’ity Nosy ity amin’ireo mpitsidika ny foara “TTG Travel Experience”.
Misokatra manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina hatramin’ny 2 ora tolakandro ny masoivoho Jirama eto Antananarivo sy Antsiranana. Misokatra toy ny mahazatra kosa ny amin’ny faritra hafa. Mandray ny antso avy amin’ny mpanjifa ihany koa ny laharana maitso 547 hatramin’ny 2 ora tolakandro. Aorian’izay, afaka antsoina ny laharana 032 12 225 47 na 033 53 005 47 na 034 83 000 19 raha misy fanontaniana na fitarainana tiana hatao.




