Fambolena orge ho an’ny Star: Mampidi-bola 10 miliara Ar ho an’ny tantsaha

Anisan’ny akora fototra ilain’ny ozinina Malto, an’ny orinasa Star, amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera ny voan’ny zavamaniry orge. Miezaka manjifa ny vokatra eto an-toerana ny orinasa mba hitondra fampandrosoana eny ifotony. Nisafidy ny hiara-kiasa amin’ny Malagasy tantsaha maherin’ny 20 000, hamboly orge, ny ozinina Malto hatao vadim-boly sady ho fidiram-bola fanampiny, na dia 20% mora kokoa aza ny hafarana avy any ivelany. Ho an’ny taom-piotazana 2025, maherin’ny 10 miliara Ar no notsinjaraina tamin’ny tantsaha. Mampiseho izany fa manome lanja ny fahaiza-manaon’ny Malagasy, mitondra tombony ara-tsosialy sy ara-toekarena amin’ny famokarana zava-pisotro vita malagasy ny orinasa.

Sekoly 18 nohavaozina
Mandray andraikitra ara-piarahamonina (RSE) koa ny orinasa Star. Miisa 18 ny sekoly nohavaozina ny tafo any amin’ny faritra iasan’ny Malto, tamin’ity taona 2025 ity. Nisitraka izany ny any Amba­to­finan­drahana, Ambovombe, Camp Robin, Fianarantsoa, Antsirabe, Betafo ary Vina­ninkarena. Mahatratra 2 176 m2 ny velaran’ny sekoly nohavaozina, nahafahan’ny ankizy maherin’ny 3 200 manohy ny fianarany azo antoka. Misy koa ny fanomezana akanjo aro orana rehefa andro ratsy.
Tanjona amin’ireo rehetra ireo ny hanamafisana ny fandraisana andraikitra hisian’ny fampandrosoana maharitra.

Njaka A.

Partager sur: