Miady amin’ny trafika hatrany ny ladoany malagasy. Sarona tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ny 22 septambra teo, ny « cartouches » sigara hosoka, « Good look », miisa 57 600 fonosana.
Nahazo antontam-baovao avy amin’ny Ladoany renioney ny Fadintseranana malagasy. Voalaza fa misy kaontenera mampiahiahy ny entana ao anatiny avy any Azia. Nigadona tany amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny sambo nitondra ny kaontenera, ny 22 septambra teo, ary natao avy hatrany ny fitiliana ny tao anatiny. Hita tao ny baoritra miisa 1 152, nahitana sigara hosoka, baoritra roa misy « rubans adhésifs » misy soratra hoe « Imperial Tobacco », sy baoritra miisa 94 nahitana « serviettes à jeter ». Mitotaly 57 600 « cartouches » (= 10 fonosana na « paquets », marika « Good Look » ireo sigara ireo. Nogiazana avy hatrany ilay kaontenera ary nalefa tany amin’ny rafitra manam-pahefana ny antontan-taratasy samihafa.
Nopotehina sy nalevina ambanin’ny tany avy hatrany, ny sabotsy 11 oktobra teo, ireo sigara hosoka ireo, eo ambany fiahian’ny Fadintseranana malagasy sy ny tomponandraikitra mahefa.
Noraisina ny fepetra toy izao satria tsy miantsy tsinjovina ny mpanjifa. Tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ny sigara hosoka, sady tsy azo antoka. Araka ny fanazavana, ahitana singa mampidi-doza izy ireny, noho izy, vokarina miafina. Tsy voaara-maso ny tahan’ny « goudron », ny « nicotine », ny vy mavesatra, sns. Ambana lehibe ho an’ny fahasalamana ny fanjifana azy, mitarika homamiadana, aretina amin’ny fisefoana sy amin’ny lalan-drà.
Ny Promodim irery no mamokatra
Hany manana ny fahazoan-dalana mamokatra ny sigara marika « Good Look » ny orinasa Promodim. Tafapetraka ao amin’ny Ofisy malagasy ny fitompoana ara-indostrialy (Omapi). Mila mailo, araka izany, ny mpamatsy entana mahazatra sy ny mpanjinjara mba hisorohana ny fivarotana entana hosoka toy izao. Satria misy ny lalàna manan-kery, ny sazy ho an’izay manao izany, miafara amin’ny fampidirana am-ponja sy fandoavana lamandy.
Njaka Andriantefiarinesy




