Melaky : Fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna

Notanterahina ny 2 oktobra teo, tao amin’ny biraon’ny Prefektioran’i Maintirano, ny fihaonana teo amin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) faritra Melaky, andaniny, sy ireo mpisehatra amin’ny fitrandrahana hazo rehetra ao Maintirano, ankilany. Nampahatsiahivina azy ireo ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fitrandrahana izany. Notsindrina manokana ny tsy fahazoana mitrandraka hazo sarobidy hatramin’izao. Ny hazo tsotra ihany no azo trandrahina fa tsy maintsy manana fahazoan-dalana any amin’ny lehiben’ny Ala anefa. Toraka izany koa ny hazo ambolena, toy ny kininina sy ny kesika, ohatra.

Nentanina manokana ihany koa izy ireo hamaritra miaraka amin’ny kaominina ao Maintirano ny toerana fambolen-kazo hampaharitra ny seha-pihariana iasan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny mpitrandraka hazo ny tsy maintsy hananana faritra hambolen-kazo. Mihatra manerana ny Nosy ireo lalàna sy fepetra ireo fa tsy ny any Maintirano ihany.

Njaka A.

Partager sur: