Milina 105MW: Intsivy miantoana ny fitaterana manokana

Nigadona tao Moramanga ireo fiarabe manokana mitatitra ny milina 105 MW hampiakarina aty Antananarivo, ny zoma hariva teo. Tonga tany an-toerana, ny alina, ny Prai­minisitra, ny jeneraly Zafi­sambo Ruphin Fortunat, nijery ifotony ny fizotry ny asa atao. Nanotrona azy teny koa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP) teo aloha, Rafidison Richard Théodore.
Fantatra fa intsivy miantoana ny fitaterana ireo milina ireo avy any Toamasina mankaty Antananarivo, ka ny andiany voalohany izao atao izao. Manara-maso akaiky ny hahatomombana antsakany sy andavany ny fivantanan’ireto fitaovana ireto ao amin’ny toby famoakarana herinaratra Ambohimanambola.
Niainga ny sabotsy maraina indray ny fitaterana manokana ireo milina hamonjy an’Antananarivo. Tsiahivina fa handalo eny amin’ny By-Pass ary hihazo an’i Benetsy ny lalana fa tsy handalo ny tetezana Ambohimanambola. Mi­refy 3,5 km io lalana io, izay vao nohavaozina, narenina ny tany, ary mahazaka tsara ny vesatra entin’ireo fiarabe. Hatao godirao tsy ho ela io lalana io.
Tafiditra ao anatin’ny va­haolana hamahana ny delestazy ny fananganana ny toby eny Ambohimanambola, ma­mo­katra 105 MW. Nitarazoka ny asa satria efa tonga tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina tamin’ny taona 2023 ireo milina ireo. Na­nahirana anefa ny nitatitra azy ireo satria mavesa-danja, misy mihoatra ny 70 t ny iray, nefa tsy mihoatra ny 40 t ny zakan’ny tetezana amin’ny RN2, ka tsy maintsy nohamafisina.

Njaka A.

Partager sur: