Jirama: Tonga soa aman-tsara eny Ambohimanambola ireo milina

Nizotra araka ny tokony ho izy ny fitaterana ny ampahany voalohany amin’ireo milina 105 MW, niainga avy any Toamasina, niakatra aty Antananarivo. Araka ny tetiandro napetraka, naharitra telo andro ny fitaterana azy ireo.

Tsy nisy tomika! Miisa 8 ireo fiara vaventy nitondra ny milina sasany, nahitana 74 t ny lanjany, niala tany Toamasina, ny zoma ma­raina. Nijanona tao Sa­ha­mamy Antsampanana, ary nihazo an’i Moramanga indray ny fanindroany. Niainga tao Moramanga ny sabotsy ma­raina, nigadona teny Ambohi­mangakely, toby mpaninjara solika Jovena, ny hariva, satria mbola nitohana ny fifamoivoizana. Nihazo ny By-Pass, nandalo ny lalana vao nohavaozina manokana eny Behin­tsy ary niditra teny Ambohi­manambola, ny alahady 12 oktobra. Efa nohamafisina ireo tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena faha-2.

Orinasa tsy miankina mi­isa telo no nitatitra ireo milina vaventy manokana ireo. Am­pahany voalohany ity vita soa aman-tsara ity, fa misy 8 hafa mbola hatao. Amin’ny fifanarahana rehetra, nisy ny ampaham-bola voalohany, na­loa mialoha ny fanatanterahana ny asa. Aloa aorian’ny fahavitan’ny asa kosa ny ampaham-bola manaraka. Tokony ho omaly alatsinainy no nanatanterahina izany.

Tsy mbola fantatra ny ampahany manaraka

Araka ny efa notaterina teto, intsivy miantoana ny hitsinjarana ny fitaterana ireo milina vaventy ireo, avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Tsy mbola voafaritra ny tetiandro hitaterana ny ampahany valo hafa. Satria, tsy maintsy misy ny fandaminana sy ny fandrin­drana ny lafiny ara-teknika ary indrindra ny ara-bola.
Maika anefa ny toe-draharaha satria ani­san’ny vahaolana hamahana ny delestazy ny fananganana ny toby herinaratra 105 MW eny Ambohimanambola. Efa mandeha, etsy anki­lany, ny fametrahana ny toby herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto Antana­narivo sy ny manodidina. Toraka izany koa, ny tetikasa 50MW, izay hamokatra 5MW tsirairay manerana ny tanàn-dehibe eto Madagasikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: