Tetikasa fampandrosoana : Tanora 10 nahazo famatsiam-bola

Araka ny vaovao hita tao amin’ny pejin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), omaly, nivaly ny fangatahana nataon’ireo tanora mpitondra tetikasa fampandrosoana tamin’ny Fandaharanasa fampiroboroboana ny Fandra­harahan’ny Tanora (PPEJ). Miisa folo mianadahy izy ireo, efatra vehivavy ary lehilahy ny enina, nahazo izany fanohanana ara-bola izany. Famatsiam-bola mitentina 29 180 euros na mano­didina ny 151 736 000 Ariary, avy amin’ny Confejes 2025 na « Conférence des ministres de la jeunesse et des sports de la francophonie » izy ity.
Avy amin’ny faritra valo eto Madagasikara izy ireo: Anala­manga, Analanjirofo, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Boeny, Ihorombe, Fitovinany ary Vakinankaratra. Ny minisitra teo aloha, Moustapha Abdulah Marson, no nandefa hafatra feno firarian­tsoa sy fanentanana ho azy ireo, mba hahavita soa aman-tsara ny tetikasany sy hahaleo tena amin’ny sehatry ny fandrahara­hana ataony.
Iangaviana moa ireo tanora tafiditra ao amin’ny lisitra ofi­sialy mba hanatona ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora eo anivon’ny minisitera, amin’ny herinandro ambony, mba handraisana ny toromarika sy ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny famatsiam-bola.

Fitia Randria

Partager sur: