Nanararaotra nisokatra daholo ny mpivarotra rehetra, omaly, indrindra ny maraina. Niezaka niasa avokoa ny taxi-be, satria nisokatra daholo ny lalana, noho ny tsy fisian’ny sakana teo Analakely. Tsotra ny antony, voasembantsembana tanteraka ny fiharian’izy ireo, amin’izao vanim-potoan’ny krizy izao. Toraka izany koa ny mpiasa tena samihafa, satria vola miditra isan’andro no iveloman’izy ireo.
Amin’izao hainandro sy ny tolona mitohy
etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey Analakely izao, jifaina amin’ny vidiny 2 000 Ariary ny zava-pisotro misy gazy amin’ny tavoahangy raha toa ka 3 000 Ariary ny tavohangy plastika. Manararaotra ireo mpivarotra izany eny an-toerana noho ny hafanana sy ny fibalikan’ny masoandro.
Nambaran’ny sampana misahana ny tahirim-bola, omaly, fa tsy misy intsony ny vola mivoaka eo amin’izy ireo amin’izao fotoana izao, noho ny toe-
draharaha misy eto amin’ny firenena. Ny tambin-
karama sy ny karama ary ny volan’ireo mpiasa efa nisotro ronono sisa no havoakan’izy ireo, raha ny voalazan’ilay fanambarana hatrany.




