Vokatry ny krizy ankehitriny : Zara raha mahalafo ireo mpivarotra ranona voanio

Anisan’ny ankafi­zin’ny Malagasy ny ranona voanio na Coco. Tsy dia maha­lafo izy ireo nandritra ny tolona teo aloha, noho ny savo­rovoro nisy teny amin’iny faritr’i Ma­hamasina iny.

Maro ireo olona tazana eto an-dRenivohitra misehatra amin’ny asa fivarotana rano fisotro voanio na Coco, amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao, somary nandalo krizy ny asa fiveloman’izy ireo nandritra iny savorovoro nisy teny Mahamasina iny, raha ny filazan’ny mpivarotra iray nanaovana fanadihadiana. Zara raha mahalafo 40 isa ny tenany, raha toa ka nahalafo 80 na 100 isa rehefa mandeha ny tsena isan’andro.

“ Tsy dia be mpividy, mandalo, eto amin’ity toerana ity, efa iaraha-mahalala ny zava-misy ankehitriny. Misy ny sakana hataon’ireo mpitandro ny filaminana”, hoy ity mpisehatra amin’ny resaka fivaro­tana rano voanio ity.

Araka ny filazany ihany, mitovy amin’ny teo aloha ny entana alaina, tsy miova ny vidin’ny hangalana azy, fa ny tsena no mihena. Anisan’ny antony ihany koa ny krizy ara-karena sy ny fihenan’ny fidiram-bolan’ny olona. “Tsy dia ahitana tombony firy intsony amin’izao, satria rehefa mihena ny varotra dia mijanona amin’ny vola miverimberina ihany ny fidiram-bola”, hoy hatrany izy. Nampahafan­tarin’ity tovolahy iray ity fa efa ho roa taona izay ny tenany no nisehatra tamin’izany.


1 000 Ariary any Toamasina

Na izany aza, misy faritra sasany, toy ny any Toamasina izay mbola mora kokoa ny vidiny raha mitaha ny aty an-dRenivohitra. Nandritra ny fotoam-pialantsasatra teo, 1 000 Ariary ny kely ary 1 500 Ariary ny lehibe. Any amin’ity faritra ity, misy an’ireo hazo coco maniry eny amin’ireo sisin-dranomasina, ka tsy dia mahagaga raha izany ny vi­diny.

Ny vokatra tsara sy ny ratsy hateraky ny Coco

Amin’izao hainandro izao, maro ny olona mankafy misotro Coco, na ranon’ny voanio, manala hetaheta, ary ma­nana tsiro manokana. Saingy araka ny fikarohana natao, toy ny zavatra rehetra ihany izy ireny, mety ho tsara izy amin’ ny antonony, fa mety hanimba kosa raha tafahoatra.
Ny coco dia manampy amin’ny famerenana rano very ao amin’ny vatana, indrindra rehefa avy manao asa mafy na fanatanjahantena. Ahitana « potassium” sy “magnesium” izay manatsara ny fandevonan-kanina ary manampy amin’ny fanadiovana ny vatana amin’ ny alalan’ny pipy ihany koa izy. Mampitony ny vatana ary ma­nampy amin’ny fialantsasatra sy torimaso. Na izany aza, misy koa ny fiantraikany ratsy rehefa misotro be loatra. Voalohany, mety hampidina loatra ny tosidra amin’ny olona manana tosidra ambany. Mety hiteraka aretin-kibo sy fivalanana koa raha be loatra. Ho an’ny mararin’ny diabeta, tsy soso-kevitra ny miso­trobe, satria misy « glucose” natoraly ao anatiny.
Ankoatra izany, raha atao isan’andro tsy an-kiato, dia mety hiteraka fikorontanan’ny voa koa ny sira mineraly be loatra ao aminy. Tsara raha 1 ka hatramin’ny 2 vera isan’andro ihany no sotroina amin’ny ranona Coco.

Nanatontosa : F.R

Partager sur: