Nanao fanambarana ny Vondrona Rano sy ala sy ny mpiasa ao amin’ny fitantanan-draharaha’ny minisitera misahana ny Rano sy ala (CSFOP), omaly. Miainga any amin’ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana, eny Nanisana, ny fibaikoana rehetra ao amin’ny Vondron’ny Rano sy ala, manerana ny Nosy. Nomena ny manana grady ambony indrindra, ny injeniera principal ny Rano sy ala de classe exceptionnelle, Rabenasolo Solofoniaina Eric Olivier, ny fibaikoana.
Voalaza fa natao ambanin-javatra izy ireo hatramin’ izay, tato anatin’ny 15 taona. Tsy natao laharam-pahamehana ny olona miasa, satria, 300 monja ny teknisian’ny ala am-perinasa ao amin’ny minisitera. Olona iray izany no misahana ala 27 000 ha. Notakonan’ny mpitondra nifandimby tamin’ny fomba samihafa izy ireo, toy ny fanatambarana amin’ny minisitera hafa, misy ny « Corps » hafa sy mpanao politika mitsabaka amin’ny asan’ny teknisiana « Corps des eaux et forêts ». Manoloana izany, takin’izy ireo ho olona avy ao anatin’
ny vondron’ny Rano sy Ala (CSFOP) no hotendrena ho minisitra sy Sekretera jeneraly, ka minisitera mahaleo tena na sekreteram-panjakana.
Ho azy ireo, tsy maintsy laniana tsy misy fepetra ny sata mifehy ny vondron’ny Rano sy ala. Takina ny fampitomboana isa ny teknisianina ary omena tetibola isan-taona. Takina koa ny hampidirana anaty tetibolam-panjakana 2026 sy ny CDMT 2026-2028 ny tetibola hanatanterahana ireo fepetra rehetra ireo.
Njaka A.




