Madagascar Airlines: Nametra-pialana ny tale jeneraly

Araka ny vaovao farany, nametra-pialana ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, omaly hariva. Tsiahivina fa ny maraina no nangataka ny fametraham-pialany ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny orinasa Madagascar Airlines, tetsy Ivato. Omaly maraina, nangataka ny fialan’ny tale jeneralin’ny zotram-piaramanidina Madagascar Airlines, i Thierry de Bailleul, ny mpiasa. Nilaza moa izy ireo fa tsy tokony ho izy irery ihany no miala fa manaraka azy koa ireo vahiny mpanolotsaina rehetra izay miara-miasa aminy ana­tin’ity vondrom-piaramanidina malagasy ity. Ny fitantanana foibe no hisahana ny fampandehan-draharaha amin’izao fametraham-pialany izao.
Tsara ny mampahatsiahy fa nanomboka ny taona 2022 no nitantana ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka malagasy ity i Thierry de Bail­leul ary nohavaozina ny volana aogositra lasa teo izany, saingy izao nametra-pialana izao ny tenany.
Fialan’ny DG ny Jirama

Ankoatra izany, manga­taka ny hanesorana ny tale jeneralin’ny Jirama, Ron Weis, ihany koa ny sendikan’ny mpi­asan’ny Jirama. Maro ireo fitakian’ny mpiasa no tsy voava­liny. Anisan’izany, ireo mpiasan’ny Jirama notazonina any am-ponja. Eo koa ny tsy fanajana ny zon’ny mpiasa.

Fitia Randria

Partager sur: