Nahitana trangan’afo vaovao ao amin’ny atialan’Ankarafantsika, ny 13 oktobra 2025 teo. Voafehy ny afo, saingy nirongatra indray roa andro taty aoriana.
Niara-nisalahy ny mponina eny ifotony, ny mpitantana ny toerana ary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny mpitandro filaminana, ny mpamonjy voina avy any Mahajanga, ny ekipan’ny Madagascar National Park (MNP) ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra (Planet Madagascar, ONG Durrell, Association Fosa, Red Island Restoration). Voafehy ny afo taorian’izay.
Nirongatra indray anefa ny afo, roa andro taty aoriana, ny 15 oktobra teo, ka izao mbola mitohy izao ny ady amin’izany. Miara-mientana eny an-kianja, ankehitriny, ireo mpamono afo. Sarotra ny ady atrehina satria tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana maintany isika. Feno ny singa telo mampisy ny afo. Ala maina ny any Ankarafantsika. Ambony dia ambony ny hafanana, manome vahana ny afo. Mitsoka mafy ny rivotra amin’izao fotoana izao. Manampy ireo, tsy mora ny ady amin’ny afo satria matevina dia matevina ny zavamaniry anaty ala.
Loharanon’i Marovoay
Mahatratra 350 ireo mpamono afo any an-toerana, ankehitriny. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny mponina, miaraka amin’ny ekipa rehetra tarihin’ny Fitantanam-paritra Dredd Boeny. Hamafisina ny fisafoana tsy tapaka ny Valanjavaboahary, iarahan’ny mponina, ny mpiara-miombon’antoka ary ny mpitandro filaminana.
Manana ny lanjany tokoa ny Valanjavaboaharin’Ankarafantsika. Ahitana loharano sy farihy lehibe, manondraka ny lemak’i Marovoay sy ny manodidina. Ahitana karazan-javamaniry sy biby tsy fahita raha tsy any an-toerana. Mampidi-bola amin’ny lafiny fizahantany sy ny fikarohana siantifika, sns.
Njaka Andriantefiarinesy




