Nidina ifotony teny amin’ ny kaominina Fieferena, distrika Avaradrano, ny Fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Analamanga, ny 15 oktobra teo. Nomena tantsoroka, tohana ara-teknika momba ny fampanatodizana karpa ny mpiompy trondro miisa enina eny an-toerana. Nisy ny fijerena ireo trondro efa vonona hampiasaina amin’ny fampanatodizana, izay mbola eo andalam-pikarakarana. Tanjona ny hanatsarana ny fepetra, hahazoana vokatra tsara. Nankasitrahin’ireo mpiompy trondro izao tantsoroka ara-teknika izao.
Tsiahivina fa tanjon’ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga, ny fanohanana mivantana ny mpisehatra eny ifotony, toy ny mpiompy trondro. Tafiditra ao anatin’izany ny fidinana ifotony toy izao, entina hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra, mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Misy ny fampiofanana maimaimpoana ny tantsaha, amin’ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary, miampy ny fomba fanamboarana ny sakafon-trondro. Maro ny fokontany, ny kaominina ary distrika nisitraka izany fampiofanana izany, izay mbola mitohy ankehitriny.
Eo koa ny fanohanana ara-teknika sy ny fanaraha-maso ho an’ireo efa misehatra amin’ny fiompiana trondro, toy izao fidinana ifotony natao teny Fieferana Avaradrano izao.
Njaka A.




