Olan’ny herinaratra : Hidina eny amin’ny Jirama ny Filoham-panjakana

Tafiditra anatin’ny laharam-pahamehan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, ato anatin’ny fohy ezaka, ny sehatry ny angovo. Satria anisan’ny fitakian’ny tanora Gen Z sy ny vahoaka nidina an-dalambe ny tsy fisian’ny jiro sy rano.

Nambaran’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michael, omaly, fa anio ihany dia ho eny amin’ny foibe Jirama ny tenany, hijery akaiky ny zava-misy, hikarohana ny vahaolana.
Takaitra efa ela ny olan’ny famatsiana rano sy jiro eto amintsika. Niovaova foana ny mpitantana fa tsy nisy ny vokatra azo notsapain-tanana. Olana ny fifanarahana amin’ ireo mpamatsy angovo tsy miankina sy mpamatsy solika, satria mividy fatiantoka foana ny Jirama. Maherin’ny 2 700 miliara Ar ny trosan’ny Jirama, araka ny tatitry ny Filankevitry ny kaontim-panjakana, ny taona 2024.
Efa nisy ny fifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), amin’ny ha­mo­lavolana drafi-panarenana ny orinasa. Anisan’izany ny hanovana ny sata mifehy azy ho orinasa tsy anavahana ana­rana (Société anonyme). Tsy nanaiky izany anefa ny sendikan’ny mpiasa. Fepetra nifanarahana tamin’ny FMI koa ny tsy hanampian’ny fanjakana ara-bola ny Jirama intsony, nahatonga io trosa miavosa io, satria saika hanonerana ny trosa amin’ireo mpamatsy angovo sy solika tsy miankina ny ankamaroany.

Tsy nahavaha olana
Anisan’ny vahaolana ha­ma­hana ny delestazy ny fampiasana angovo azo havao­zina, toy ny avy amin’ny herin’ ny masoandro. Anisan’ny ma­nohana ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena. Tsy tena nahavaha ny olana anefa izany, ary izao miverina izao indray ny delestazy. Tsy mety mihodina ny toby mandeha amin’ny solika manana tan­jaka 105 MW, eny Ambohima­nambola. Efa 2 taona no nihi­tsoka tany Toa­masina, ary amin’izao fotoana izao vao tafakatra aty Antananarivo ny ampahany voalohany amin’ ireo milina. Tavela ao amin’ny seranan-tsambon’i Toama­sina ny am­pa­hany valo am­biny. Mihi­satra ny fanatante­rahana ny tetikasa “Volobe II”. Eo am-pikarakarana ny antso tolobidy iraisam-pirenena ho an’ny tetikasa “Sahofika”.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: