Nohavaozina, tamin’ny novambra 2023, ny fifanarahana mahakasika ny jono eo amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy i Madagasikara. Voakasik’izany ny fanjonoana lamatra (thon) aty amin’ny ranomasimbe Indiana.
Nisy ny fanavaozana ny fifanarahana, vita sonia ny 30 jona 2023, ary haharitra 4 taona (2023-2026). Voafetra ho 65 fara-fahabetsany ny sambo eropeanina, afaka manjono lamatra aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, fa tsy 94 toy ny tamin’ny fifanarahana tany aloha. Amin’ireo 65 ireo, sambo « thoniers senneurs » espaniola ny 16, raha 15 ny an’ny frantsay, ary italiana ny iray. Miisa 33 kosa ny sambo « palangiers » (24 frantsay, 7 espaniola, 2 portigey).
Ho tambin’ireo, hamatsy vola (tsy trosaina sy tsy averina) mitentina 1,8 tapitrisa euros isan-taona ho an’i Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina. Ho saran’ny haba fahazoan-dalana hanjono (droit d’accès) aty amin’ny fari-dranomasintsika ny 700 000 euros isan-taona, mifanahatsahana amin’ny lamatra 14 000 taonina ho jonoin’ny eoropeanina. Entina hanohanana ny Politikan’ny jono eto Madagasikara kosa, ny 1,1 tapitrisa euros isan-taona ambiny.
Ankoatra izany, tokony ho 1,42 tapitrisa euros isan-taona ny haba aloan’ireo sambo eoropeanina. Tombanana ho 200 000 euros ny tambim-bola hitsinjovana ny tontolo iainana amin’ny solika ampiasain’ireo mpanjono.
Tsy nanao sonia i Mozambika sy i Kaomoro
Tapitra tamin’ny taona 2019 ny fifanarahana mahakasika ny jono, eo amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy i Madagasikara, miaraka amin’ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indiana (OI), Maorisy, Mozambika ary Seychelles. Marihina fa tsy nihatra ny fifanaharana amin’i Mozambika, satria tsy nisy ny fifanarahana fampiharana teo amin’ny UE sy ity firenena ity. Tapitra tamin’io fotoana 2019 io ihany koa ny fifanarahany tamin’i Kaomoro, satria tsy nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta, niadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna, ny tsy fisian’ny tatitra milaza ny lamatra nojonoana tsy ara-dalàna.
Njaka
Andriantefiarinesy




